Tia dia tia (Dadah Rabel)
Описание
Izay lazainao ho ditranao Tsy mampaninona ahy akory F’izaho, izay foinao ho ahy Ho ahy no mba atolory Satria aho tia, tena tia dia tia Raha izay ditra fona Tsy misy tsy nanao Nefa atao ahoana fa tanora milalao Ka aza atao hifanomezan-tsiny Ny fotsy mba vato fa be ny faniriany Izaho aty tena tia dia tena tia Nahatonga ny andro hifaranan’izany Akoho ela notsengohana Tsy maintsy drodroka ihany Ka maniry hisotro ronono amin’izay Mba hanan-tokantrano tena ahy Ianao no mba norariako Satria ianao no tiako Ireny tantara fahiny rehetra Ireny Aoka izy mba tsy hasian-teny Fa fitavana, fitia fohy dia fohy Manangasanga fa tsy nitohy Ny antsika ho kajiko Satria ianao no tiako dia tiako Fitiavana no raketina ho boky Tsisy resaka afa-tsy ny fifanomezan-toky Ho feno sary marim-pahatsiarovana Ny pejy farany Nisy hoe: mbola tsy mifarana Indray andro any fahafatesana ihany No hamarana izany
Комментарии